Notafihin’ny dimy lahy nirongo basim-borona sy poleta vita gasy ny trano iray misy ny toeram-pivarotan’ny Startimes, tany Manakara, tao amin’ny fokontany Tanakidy, ny talata hifoha alarobia teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina. Tafiditra tao an-trano izy dimy lahy ary nampiasa ny fitaovam-piadiana tany amin’izy ireo. Nanao herisetra nanery ny tao an-trano mba hamoaka ny vola. Naratra mafy teo amin’ny lohany, noho izany ny ramatoa tompon-trano. Nofirain’ireo jiolahy ny antsy in-telo kosa ny lehilahy iray, izay voalaza fa sakaizan’ilay vehivavy tompon-trano. Dian’antsy roa teo amin’ny kibony ary iray teo amin’ny tendany, ka nitarika ny fahafatesany. Ity farany izay nandalo nivahiny tany an-toerana fotsiny ihany tamin’io fotoana nisehoan’ny fanafihana io. Ramatoa kosa nahazo ny fitsaboana sahaza azy na voa mafy aza ny lohany. Very tamin’izany ny vola izay mbola tsy fantatra ny sandany. Norobain’ireo olon-dratsy ihany koa ny zava-tsarobidy toy ny firvaka volamena sy ny finday avo lenta. Nandositra avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay ary tsy nisy ny sakantsakana. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana momba ity fanafihana ity. Voalaza fa efa voaomana ny fanafihana izay nisy fifandraisany tamin’ny fahatongavan’ilay lehilahy nivahiny, izay sakaizan’ilay ramatoa tompon’ny tsenan’ny Startimes. Mandeha ny ahiahy fa na eo aza ny fanafihana ilay toerana, mety ilay rangahy mihitsy no nokendrena satria izao novonoin’ny jiolahy tsy nasian’izy ireo indra fo. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany anefa no afaka mamaritra ny tena marina momba ity tranga ity. Ny tanànan’i Manakara izay nilamina teo aloha teo, kanjo izao nisehoana asan-jiolahy izao, ka miteraka tebiteby eo amin’ny mponina.
Yv Sam