- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Vokatry ny fijojon’ny orana, dobo rano ny Fokontany Andriana Ambany

Manakara : Vokatry ny fijojon’ny orana, dobo rano ny Fokontany Andriana Ambany

Noho ny firotsahan’ny orana mijojo ka nampiakatra ireo lakandrano, dia trano maro ao amin’ny Fokontany Andriana Ambany (tampon-tanànan’i Manakara) no dobo an-drano amin’izao. Vokatr’izay fiakaran’ny rano izay hatrany, dia maro amin’ireo olona monina manamorona ny lakan-dranon’i Andriana izay mitaintaina mafy ankehitriny no efa miala sahady ny trano fonenana, ka betsaka amin’izy ireo no tsy manan-kialofana. Tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra moa, dia mbola nijojo hatrany ny orana, ary Fokontany maro ao an-drenivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany no ahiana ho dobo rano, raha ny fampitam-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici