- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Vola sandoka 1,3 tapitrisa Ar tra-tehaka, ramatoa iray naiditra am-ponja

Manakara : Vola sandoka 1,3 tapitrisa Ar tra-tehaka, ramatoa iray naiditra am-ponja

Noho ny fanomezan’olona tsara sitrapo loharanom-baovao mari-pototra ny mpitandro filaminana, dia vola sandoka 20.000 Ar mitentina 1,3 tapitrisa ariary saika haparitaka tao Manakara tampon-tanàna no saron’ny Polisim-pirenena, ny alatsinainy teo. Raha ny vaovao voaray, teo am-panakalozana ireo vola sandoka ny ramatoa iray no tratra ambodiomby, raha tafaporitsaka kosa ny vehivavy iray namany, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao. Rehefa nofotorana lalina ity vehivavy voasambotra, dia nilaza fa 70 isa ireo vola tsy tena izy ro alina ariary avy tany amin’izy ireo, ary efa voatakalo tamin’ny fividianana entana teny an-tsena ny dimy tamin’ireo vola sandoka. Araka ny nambarany hatrany, dia vola avy any amin’ny faritra hafa ireto vola sandoka, ary nalefa taksiborosy ka notsenaina teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara Mangarivotra Manakara, ny Sabotsy teo. Rehefa natolotra ny Fampanoavana afak’omaly ilay mpanao heloka bevava, dia naiditra am-ponja vonjy maika ao Ambalatavoahangy miandry ny fotoam-pitsarana azy. 

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici