- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversManam-pahefana : Voapoizina tamina fanafody mahadomelina

Manam-pahefana : Voapoizina tamina fanafody mahadomelina

Fantatra fa miisa fito hatreto ireo olona voasambotra sy atolotra ny fitsaràna mahakasika ny raharaha fanapoizinana manam-pahefana. Ny loharanom-baovao manakaiky ireo mpanao fanadihadiana no nahafantarana fa tamin’ny alalan’ny fanafody mahadomelina no nanaovan’izy ireo izany fanapoizinana izany. Fanafody natokana ho an’ireo olona manana olana ara-tsaina raha ny fanazavàna azo ity fanafody ity. Ranon-javatra natao hosotroina. Ity farany dia ranon-javatra miloko manga, ary mora afangaro amin’ny zava-pisotro misy lokony. Raha ny fantatra dia ampiasain’ireo olon-dratsy amin’ny asa ratsiny kosa ity fanafody ity, izay voalaza fa zavamahadomelin’ireo mpanolana, noho izy io, mampalemilemy haingana. Misy mandray ity fanafody ity ihany koa atao solona zavamahadomelina tsotra izao. Saika hovonoina mihitsy sa hosolokiana ? Hatreto araka izany dia mbola eo am-pamantarana ny anton’izao fanapoizinana izao ireo tompon’andraikitra. Marihana moa, araka ny loharanom-baovao hatrany, fa toa hoe olona mahafantatra sy azo lazaina ho mpiara-miasa aminy ihany ireto voasambotra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici