Manoloana ny resaka fizarana taratsim-bola mirakitra fiantoham-panampiana na » Subvention « enim-bolana hoan’ireo mpampianatra Fram, izay misy fitanilana ato anatin’ny Dren Betsiboka dia manambana ny hitokona ireo mpampianatra voakasika sy ny efa fonctionnaire, any amin’ny CISCO Tsaratanàna, hoan’ny tapany atsimo. Nanamafy hatrany moa ireto farany nandritra ny fampitam-baovao voaray fa misy fijerena faritra ny fizarana » Subvention, » satria ny an’ny mpampianatra Fram rehetra amin’ny tapany avaratran’i Tsaratanàna sy ato amin’ny CISCO Maevatanàna dia efa samy nivoaka avokoa. Noho izany dia hanakatona ny fampianarana ny fidirana amin’ny volana janoary taona 2026 izy ireo, raha toa ka mbola tsy hita mivoaka izany, hoan’ny Tsaratanàna tapan’ny atsimo.
Ratantely
Tsaratanàna : Manambana hitokona ny mpampianatra
Articles qui pourraient vous intéresser




