Tranga mateti-piseho eo anivon’ny Paositra Malagasy amin’iny faritra Anôsy iny ny fanjavonan’ny vola ao amin’ny toeram-piasana. Tamin’ny faran’ny herinandro teo iny, heno araka ny loharanom-baovao azo tany an-toerana, fa vola mitentina hatrany amin’ny 20 tapitrisaAr no nanjavona tao amin’ny masoivohon’ny Paositra Malagasy ao amin’ny kaominina ambanivolon’i Manambaro, any amin’iny distrikan’i Faradofay iny. Efa nesorina tamin’ny toerany ary nosoloina vonjimaika ny resevera teo aloha, tombanana, fa tomponan’antoka tamin’ny fahaverezan’ny vola. Ny fanahadihadiana ataon’ny tomponandraikitra sy ny mpitandro ny filaminana no hahafantarana ny marina. Manoloana izany, mampanahy ny hoavin’ny paositra malagasy satria vao tsy ela akory izay no nisy nanodina ny vola amina miliara Ariary maromaro tao an-drenivohitr’i Faradofay, ary mbola nanefa ny saziny tao Ambalatavoahangy ilay tompon’antoka tamin’izany. Ny fitantanana heverina fa gaboraraka toy izao no mampisy fanodinkodinam-bola ataon’ireo olona milaza azy ho tsy maty manota. Mahakasika ny fitantanana ny volam-bahoaka dia ilana ny fanaraha-maso akaiky ireo nomena andraikitra mba tsy hamono antoka ny fanjakana.
Rom Farady