- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManambondro : Tsy namaha olana ny fanamboaran-dalàna zara fa vita

Manambondro : Tsy namaha olana ny fanamboaran-dalàna zara fa vita

Toa diso fanantenana ihany ireo mpampiasa iny lalam-pirenena faha-12A (RN12A) mampitohy an’i Vangaindrano sy Tolagnaro iny amin’izao fotoana izao. Nisy ny asa fanamboarana nataon’izao fitondrana mijoro izao nentina hanarenana io làlana io, raha efa nampikaikaika ny maro tokoa ny fahasimbany. Tsy nahavaha olana akory anefa izany raha vao tonga ity fahavaratra ity. Ankoatra ny bac ao  Masianaka izay efa maty lava ny milina manodina azy, mbola olana hatrany ny amin’ireo faritra heverina fa “points noirs”, indrindra ny ao Angodragodra, eo anelanelan’ny kaominina Manambondro sy Mahabe, distrikan’i Vangaindrano. Mandrevo tanteraka ny fotaka raha vao avy ny orana, satria araka ny fantatra dia notrongisina daholo ny vato tamin’io lalana io ary nototofana tany sy nopasopasohina fotsiny avy eo. Noho izany, mangataka ny mponina ny mba hijerena io olana io. Takian’izy ireo ny mba hametrahana sakana mandrara ireo fiara vaventy tsy handeha amin’iny lalana iny rehefa avy ny orana (barrage de pluie), hoy ny nambaran’ny izay isoloan’ny filohan’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritra Manambondro (FiZaFaMa) eto Antananarivo, Rajaonarison Guy Bréchard, tena. Ny FiZaFaMa dia najoro tamin’ny taona 1971 mba hitsinjovana ny sosialin’ny mpikambana sy ireo mponina sahirana ao amin’ireo kaominina valo mandrafitra ny faritra Manambondro. Ao anatin’izay ezaka izay indrindra no nanolorany dabilio 30 ho an’ny Liseam-panjakana ao Manambondro ho tsangambaton’ny fankalazana ny faha-45 nijoroany. Mbola betsaka tokoa ny mpianatra any amin’ny faritra no mipetraka amin’ny tany ao am-pianarana, toy izay hita ao anatin’ny kaominina Sandravinany. Vina napetraky ny filohan’ity fikambanana ity, raha voafidy indray hitondra ny fikambanana ho an’ny 3 taona ho avy ny tenany tamin’ny volana jolay 2017, ny fampandrosoana ny faritra Manambondro, ankoatra ny fampivondronana ireo zanaky ny faritra monina eto Antananarivo. Ao anatin’izay indrindra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2018 hotanterahina ny alahady 25 febroary izao ao amin’ny CEMES Betongolo ka hanasana ny mpikambana rehetra, ireo Olobe avy amin’iny faritra Atsimo-Atsinanana iny, izay isaoran’ny filohan’ny FiZaFaMa manokana ny fanampiana natolotr’izy ireo tsy misy tambiny ho fanatanterahana izao hetsika izao. Hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana iarahan-komana amin’io ka omby iray no hovonoina.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici