Misedra olana amin’ny famatsiana ara-panafody ny hopitalim-panjakana rehetra eto Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny ministeran’ny fahasalamana. Isan’izany ny hopitaly manara-penitra Morafeno Toamasina. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa, dia efa nanomboka ny taona 2024 no tsy afaka mivatsy ara-panafody intsony ireo tobim-pahasalamana ara-panjakana fa omena ny tsy miankina ny fitantanana izany. Nanao tolobidy ny CHU Morafeno Toamasina ka tafiditra tamin’izany ny fikambanana mpanao asa soa, “Fagnako”, eto Toamasina nanomboka ny taona 2017. Tamin’ny ora farany anefa dia nisy fikambanana hafa vao natsangana tamin’ny fotoana nivoahan’ilay tolobidy nirotsaka ho isan’ny kandida amin’ny fitantanana ny fivarotam-panafody eo anivon’ny CHU Morafeno Toamasina ity. Ny angom-baovao voaray anefa, raha nosokafana ilay tolobidy dia ilay fikambanana voalohany no nahazo izay. Hita, hoy ireo mpiasa ao amin’ny CHU Morafeno, fa misy kolikoly sy fanararaom-pahefana nahazoany izany. Tsy mety manao sonia ilay tolobidy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny hopitaly. Nambaran’ny loharanom-baovao voaray fa mety hampivoaka ireo vaovao maloto ara-panafody fanaon’ireto mpiasa ao anatin’izany ny mpiasa ao aminy, ka izay no mampisisika azy ireo hampiditra fianakaviana akaiky hanao ilay fivarotam-panafody. Ho hita eo ny tohiny fa olana be ny momba ny fitantanana ny fivarotam-panafody eo anivon’ny hopitaly.
Malala Didier