- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : « 4x4 » nivarina tanaty rano, maty ilay mpamily

Mananara Avaratra : « 4×4 » nivarina tanaty rano, maty ilay mpamily

Misesy hatrany ny lozam-piarakodia  amoizana ain’olona eto amintsika. Fiara tsy mataho-dàlana iray indray no nivarina an-kady, ka nifarana tany anaty rano rehefa nentin’ny mpamily mamo, ny alin’ny alatsinainy 6 jona lasa teo tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any. Tao amin’ny fokontany atao hoe Ifasina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Sandrakatsy, distrikan’i Mananara Avaratra, izay làlana 37 km miala an’i Mananara Renivohitra, no nitrangan’ny loza. Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty ny zava-nitranga, dia voalaza fa fiara fiasan’io lehilahy io ity niharan-doza ity. Efa niezaka nitàna azy tsy handeha hitondra fiara na ny vadiny na ny mpampiasa azy noho ny hamamoany,saingy tsy tàna ity farany fa lasa ihany. Tsy niala 200 metatra  ny fokontany Ifasina anefa, dia efa nivarina an-kady sahady ilay fiara ary izao tsy nijanona raha tsy latsaka tanaty rano izao. Vokany: maty tsy tra-drano ilay mpamily ary tapaka ny tendany. Rehefa nahare ny feon’ny fiara nianjera ireo manodidina dia nirodorodo avy hatrany  namonjy ilay mpamily. Eo amin’ny 67 metatra miala amin’ny arabe eo no hantsana nilatsahan’ilay ny fiara. Voatery nilomano ireo olona mba ho nahafahana mamonjy ilay mpamily, saingy efa tsy nisy aina intsony izy. Maraina kosa vao afaka nampiakatra ny fiara teny an-tanety ireo vatan-dehilahy maromaro. Ankoatr’izay, nandritra ny alina niandrasana ny razana, dia nanamarika ny fianakaviana fa nisy vavy antitra iray niloa-bava fa namosaviany io lehilahy maty io no nahatonga azy niharan-doza tahaka izao. Tsy nisy anefa ny fisamborana ity vehivavy ity. Na izany aza, ratsy dia ratsy ny làlana any amin’iny faritra iny; izay tsy vita raha tsy adiny efatra, ka tsy mahagaga loatra raha mamoa-doza tahaka izao. Tsy toy ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao, ny Aotrisy-tserasera trano filokana foana dia milamina ny toe-draharaha.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici