- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMananara-Avaratra : Basy poleta sy bala 9mm miisa 6 tsy ara-dalana saron’ny...

Mananara-Avaratra : Basy poleta sy bala 9mm miisa 6 tsy ara-dalana saron’ny polisy

Ao anatin’ny ady atao amin’ny fiparitahana fitaovam-piadiana tsy ara-dalana eto amin’ny firenena izao, dia nahitam-bokany ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena any amin’ny distrikan’i Mananara-Avaratra iny. Lehilahy iray nampiahiahy no nahitana basy poleta tsy  (PA) vita avy eto an-toerana miaraka amin’ny bala 9mm miisa 6, nandritra ny fandalovany teo amin’ny sakana nataon’ny polisy teo Masindrano, kaominina Mananara-Avaratra, ny faran’ny herinandro teo.  Nosamborina avy hatrany ralehilahy, noho ny fitanany fitaovam-piadiana tsy ara-dalana. Rehefa vita ny famotorana azy, dia natolotra ny Fampanoavana tany Maroantsetra izy, ary nanome tànana tamin’ny fitondrana azy tamin’ny sambo ny APMF.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici