Niharan’ny lozam-pifamoivoizana tamina moto tao Analamalotra Toamasina. Ny alarobia tolakandro teo, raha nihazo ny RN5 iny dia niharan-doza tamin’ny moto ny solombavambahoaka avy any Mananara avaratra sy ny vadiny. Nandeha mafy tao anaty fiolanana ka raha niala ity fiara be iray avy any avaratra hiditra an’i Toamasina dia nifanehitra tamin’ny vatokely nivangongo tamin’ny sisin-dalana ka nipitika avy hatrany. Ilay ramatoa no tena voa mafy. Vaky loha ny ambiny. Nampidirina avy hatrany teo anivon’ny hopitaly manara-penitra eto Toamasina izy telo. Vokatry ny hamafin’ny fahavoazana dia nalefa maika aty Antananarivo izy ireo, miatrika ny fitsaboana sy ny fandidiana samihafa omaly. Ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena no miantoka ny fitsaboana rehetra.
Malala Didier