- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Fanararaotam-pahefana ataon’ny Ben’ny Tanàna, nitokona tao amin’ny Bazary Ladoany...

Mananara Avaratra : Fanararaotam-pahefana ataon’ny Ben’ny Tanàna, nitokona tao amin’ny Bazary Ladoany ny vahoaka

Noho ny fanararaotam-pahefana voalaza fa ataon’ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina ambonivohitra Mananara Avaratra, dia nitroatra ny vahoaka any an-toerana, ka nanao hetsika tao amin’ny Bazary Ladoany. Novakian’ireo mpitokona bantsilana ny fitantanana mitanila ataon’ny Ben’ny tanàna momba an’ ity tsena lehibe ity ; izay anjakan’ olom-bitsy sy ireo manan-katao. Raha ny vaovao voaray, dia misy olona iray mitana « stand »  enina, izay aloa vola roa hetsy ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar, ka io no nampitroatra ny olona io. « Ny fizarana tsy mitanila no takian’ny vahoaka eto mba tsy hiitaran’ny hatezerana », hoy ny mpitarika ny fitokonana raha nandray fitenenana. Toherin’ny mponina any an-toerana ihany koa ny fanorenan’ny Ben’ny tanàna trano manoloana ny tsena. « Takian’ny vahoaka ny hanesorana ireo trano, satria tsy natokana ho azy manokana ny bazary fa ho an’ny vahoaka rehetra. » Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ireto mpitokona, izay ivondronan’ ireo mpivarotra sy mpanjifa, mba hitsinjovana ny vahoaka madinika.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici