- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Fitsaram-bahoaka, olona valo nosamborina

Mananara Avaratra : Fitsaram-bahoaka, olona valo nosamborina

Taorian’ilay fitsaram-bahoaka nahafatesana olona enina be izao, niseho tany Mananara Avaratra, ny herinandro lasa teo, dia fantatra izao fa olona valo no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana, ny alatsinainy teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia olona nandray anjara tamin’ny famonoana sy fandorana ireo olona voalaza ho mpangalatra ireo nosamborina ireo ary nalefa avy hatrany any amin’ny fonjan’i Toamasina. Nihanahazo vahana tokoa tato ho ato izay ny fitsaram-bahoaka, hatrany amin’ny faritra, tonga hatreto an-drenivohitra. Ity niseho tany Mananara ity no nahafatesana olona be indrindra. Tsiahivina fa voarohirohy ho nandroba mpandraharaha ireto olona niharan’ny hatezeram-bahoaka ireo ary efa nosamborin’ny zandary. Nandratra mafy ny tompon-trano izy ireo, ka izay no nahatezitra ny olona ary nitarika ilay fitsaram-bahoaka. Marihina fa efa nisy olona dimy hafa, voarohirohy tamin’io resaka fandrobana io hatrany, efa nadoboka tany am-ponja. Ny roa tamin’izy ireo dia fantatra fa naman’ireo enina matin’ny fokonolona. Tao anatin’izany anefa dia nisy olona efatra hafa ihany koa avy nohenoina teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana nalefa ny am-ponja. Voatery nafindra toerana any Toamasina anefa ireto olona sivy farany ireto, noho ny hatezeren’ny olona. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany mantsy dia efa saika matin’ny fokonolona tao Mananara Avaratra izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser