Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady, tamin’ny 11 ora, nirehitra ny trano fivarotana enina, tany amin’ny tananan’i Mananara Avaratra. Vokany, tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatin’izy ireo. Niezaka namono ny afo ihany ny olona, nefa tsy nisy azo natao intsony. Ny afo rahateo niantso rivotra, ka vetivety foana ny fihanak’izany. Vola an-tapitrisany maro no lasa lavenona. Tetsy andaniny, na dia nisy aza ireo tompon’ny tsena namoaka ny entany, tonga teny amin’ny toerana ihany koa ireo mpanararaotra hangalatra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa jiro kapoaka nolalaovin’ ankizy no nahatonga ny fahamaizana. Tao amin’ny fivarotana iray no niandoha ny afo. Nianjera tamin’ny tany ilay kapoaka ary voalaza, fa tsy nisy nahita. Afo efa nijoalajoala no tsikaritry ny sasany. Natao avokoa ny fomba rehetra nentina nandresena ny fihanaky loza, nefa dia niala maina ny rehetra.
r.s.