- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra- Mahanoro : Olona valo matin’ny fitsaram-bahoaka

Mananara Avaratra- Mahanoro : Olona valo matin’ny fitsaram-bahoaka

Miverina mahazo vahana indray amin’izao fotoana izao ny fitsaram-bahoaka amin’ny faritra maro eto amintsika. Fantatra araka ny vaovao voaray fa olona valo be izao no indray niharan’izany tany Mananara Avaratra sy Mahanoro, any amin’ny faritra roa any atsinanan’ny nosy. Tao anatin’ny andro roa no nisehoan’izany. Niompana tamina halatra jirofo avokoa ireo zavatra ireo. Voalaza mantsy fa misy amin’izao fotoana izao andian’olona mandroba ireo mpandraharaha manao an’io zavatra io any an-toerana. Tratran’ny mpitandro filaminana ireo mpangalatra ary notazonina tany amin’ny biraon’ny zandary. Tany Manananra Avaratra, olona enina no voarohirohy ka sinoa ny iray. Noratrain’izy ireo ny tompon’ireo entana ary tsy maintsy nalefa tamin’ny fiaramanidina aty an-drenivohitra hanaraka fitsaboana. Teo no nahatezitra ny olona. Marobe ny mponina tonga tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Nitaky ny hamoahana ireo mpangalatra izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky ny zandary ary dia raikitra ny famakiana ny birao. Tamin’izay fotoana izay dia afaka nandositra ry zalahy. Tratra teo anefa ny telo ary dia maty voadaroka ny alahady maraina. Tafaporitsaka ny telo. Tsy nanaiky ny olona fa nanenjika azy ireo. Tratra tany amin’ny toerana antsoina hoe Antanambe, any Soanierana Ivongo, izy telo. Tonga dia maty novonoina koa izy ireo ny alahady alina. Tsy vitan’izany fa nodorana ny fatiny.

Fa tany amin’ny disitirikan’i Mahanoro, saika sahala amin’izany koa no niseho. Tsy tafandry mandry ihany koa ny mpandraharaha manao jirofo. Tokantrano efatra no indray nisy nanafika tany amin’iny faritra iny. Mpamboly sy mpivarotra jirofo avokoa izy ireo. Manao andiany maro ireo mpandroba, misy hatrany amin’ny telopolo lahy any. Tamin’ny sabotsy lasa teo, lehilahy iray antsoina hoe Martialn voatondro fa anisan’ireo mpandroba, no tratra. Maty novonoin’ny olona izy. Mbola tany amin’iny faritra iny ihany, tany amin’ny kaominina ambanivohitr’ Ambinanindrano kosa, nisehoan’ny fitsarambahoaka faharoa.  Lehilahy iray ihany koa no notaperin’ny olona aina.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser