Na teo aza ny fahatraran’ny mpitandro ny filaminana tao Maroantsetra ity tovolahy iray niaraka tamin’ny vola sandoka an-tapitrisany sy fonosana sigara marobe taminy, izay fomba entin’izy ireo manadio ireto vola sandoka 20 000 ariary sy 10 000 ariary. Mbola mitohy izany ao amin’ny faritra Ambatosoa misy ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Maroantsetra; izay tena mampitaraina ireo mpivarotra ka mahatonga azy ireo tsy handray ireo kara-bola misy manadio ireo ankehitriny. Matetika dia ireo mpivarotra madinika eo am-pividianana entana hoentin’izy ireo hamidy amin’ireo tranombarotra mpamongady vao mahita fa misy vola sandoka eny am-pelan-tanan’izy ireo, ka izy ireo indray no mampiahiahay ireo mpamongady fa lasa mpanadio vola sandoka any an-toerana. Raha ny fanazavana, dia ividianan’ireo andian’olona sigara fonosana (“paquet” na “cartouche”) iray ireto vola sandoka ireto mba hahazoan’izy ireo ny famerim-bola ara-dalana. Avy eo indray amidin’izy ireo ao anaty fatiantoka amina fokontany na Tanana na kaominina hafa indray ireto sigara ireto, dia toy izay hatrany no ataon’ireto mpanadio vola sandoka ireto ao Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Fotoan’ny fiotazana vokatra fanondrana lavanilina sy jirofo raha teo any an-toerana ankehitriny, ka mora amin’ireo andian’olona ireto ny manadio sy manaparitaka izany vola sandoka ataon’izy ireo izany. Hatreto aloha tsy mbola nisy ireo mpandraharaha na ireo mpanangom-bokatra na ireo tantsaha mpamboly lavanilina na jirofo re fa tratran’ireto mpanadio vola sandoka ireto, izay voalazan’ny vaovao fa efa mailo izy ireo. Izany no mahatonga azy ireto manakalo ireto vola sandoka amin’ireo mpivarotra madinika; izay sarotra rahateo ny manavaka ny tena izy sy ireo sandoka raha ny fanazavan’ireo olona efa tratran’izany fa sarotra ny manavaka ireo vola izy sy ireto sandoka noho ny fitoviana be aminy, noho ny teknolojia avo lenta amin’ny fanamboarana azy.
Malala Didier