Tokantranona mpandraharaha iray any amin’iny faritra Analanjirofo iny no niharan’ny fanafihana mitam-basy ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vokany, vola 40 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ifasina, ao amin’ny kaominina Sandrakatsy any amin’ny distrikan’i Mananara Avatra no nisehoan’ity trangam-panafihana ity. Nanao amboletra niditra tao amin’ity trano ity ireo olon-dratsy izay miisa efatra nirongo basy. Nirefodrefotra ny basy, hany ka natahotra sy tsy nisy sahy nivoaka avokoa ireo fokonolona. Tsy nisy afa-tsy ny zanak’ity tompon-trano ity irery ihany koa no tao amin’ilay trano ka nanjakazakan’ireo olon-dratsy. Tamin’izany no nangalan’izy ireo ilay volabe. Vita ny asa ratsiny dia nitsoaka izy ireo. Na izany aza, tsy nisy aina nafoy na ny naratra raha ny fampitam-baovao azo. Efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy moa ny zandary amin’izao fotoana izao.
m.L