- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversMananara avaratra : Nahita fatin’olona tao anaty fanariam-pako

Mananara avaratra : Nahita fatin’olona tao anaty fanariam-pako

Tena loza ny zava-nitranga tao Mananara avaratra, tao amin’ny faritra antsoina hoe Beryl, ny 02 oktobra teo. Tsy misy idiran’ny fihetseham-bahoaka misy amin’izao ny tranga niseho satria mbola tsy tonga any Mananara avaratra izany, fa mety ho vono olona tsotra izao fotsiny. Nahitana fatin’olona ny fanariam-pako tao Beryl Mananara avaratra. Tonga ihany koa ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpitsabo mpamakafaka faty nandritra izany. Raha nozahan’ireto tompon’andraikitra ilay faty dia tsy nahitana ny tongony roa sy ny tao anaty kibony rehetra ary ny ila sofiny. Tsy fantatra marina vokatra izany ny anton’ny famonoana, satria tsy nahitana rà manodidina ilay faty. Noho izany, tsy teo amin’ilay toerana ny tranga famonoana. Misy ny fanadihadiana lalina ataon’ireo mpitandro ny filaminana vokatra izany, mba hamantarana ny mpamono olona sy ireo anton’ny famonoana. Tena henjana ny famonoana raha vono olona niniana natao marina ny raharaha, fa hafahafa ihany ny fitrangan’ny raharaha, hoy ireo mpitandro ny filaminana. Izay nahita ity faty ity teo amin’ny fanariam-pako ity dia samy nilaza fa tsy mahafantatra azy avokoa, izay heverina fa avy amin’ny fokontany hafa ny fiavian’ity olona maty mety nisy namono ity. Nentina teny amin’ny tranom-paty taoriana izany ilay faty tsy fantam-piaviana, miandry izay mety fianakaviany sy izay mahafantatra izany. Ny fanadiadiana fanaon’ireto mpitandro ny filaminana no takian’ny olona ao anatin’ity raharaha na vono olona ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici