- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Niharan-doza ny vedety « Ariane express »

Mananara Avaratra : Niharan-doza ny vedety « Ariane express »

Niala tamin’ny 04 ora hariva tao Maroantsetra hiazo an’i Mahavelona Foulpointe ny vedety “Ariane Express” ny 30 novambra teo. Vokatry ny haratsian’ny toetr’andro, nefa efa nahazo alalana hanao ny zotra Maroantsetra – Mahavelona Foulpointe, dia niharan-doza tao amin’ny fari-dranomasin’Ambitsika Mananara avaratra ilay vedety, noho izany. Vokany, nandray fepetra ny mpanamory nanapa-kevitra nitodi-doha tao Mananara avaratra sy nila vonjy tamin’ireo vedety nandalo manodidina. Tonga nanavotra ireo mpandeha manodidina ny 120 teo ny sambo Melissa I, ka avotra soa aman-tsara ihany ireo mpandeha, na iray aza tsy nisy naratra sy namoy ny ainy. Niezaka namonjy sisin-dranomasina ihany taorian’izay ilay vedety nahiran-doza an-dranomasina nanavotana ireo entana tao anatin’ny Ariane Express. Ny faran’ny herinandro teo indray, taorian’ity loza an-dranomasina nahazo ny vedety Ariane Express ity, dia fahasoavana goavana indray no nitranga tao anatin’ny vedety Melissa II mampitohy an’i Mananara avaratra sy Soanierana Ivongo. Nisy renim-pianakaviana bevohoka teraka tao anatin’ilay vedety teny afovoan-dranimasina. Nifandrimbona nikarakara ilay reny sy ilay zazalahikely vao teraka ireo mpandeha tao anatin’ilay vedety nandritra izany. Tsy nisy mihitsy ny fahasarotana nandritra ny fiterahany tao anatin’ny vedety Melissa II. Tonga soa aman-tsara tao Soanierana Ivongo rahateo izy ireo, saingy avy hatrany dia nomena ny fitsaboana sahaza azy ilay reny sy ilay zazalahikely. Tonga namangy ilay zaza antsoina hoe Nomenjanahary Milissiano sy ny reniny ny tale jeneralin’ny vedety Melissa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici