- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Nodoran’ny olona velona ilay rangahy namono vady

Mananara Avaratra : Nodoran’ny olona velona ilay rangahy namono vady

Ny talata 02 febroary teo tokony tamin’ny 06 ora hariva no hitan’ny olona tao amin’ny fokontany Sahalava kaominina Analanampontsy ilay rangahy namono vady tao amin’ny kaominina Mananara Avaratra. Avy hatrany dia nosamborina ny tenany ary nentina namonjy tao Mananara Avaratra, saingy tsy nanaiky izany ireo fokonolona fa ny hamaly faty ny zavatra nataony no tenin’ireto olona marobe. Nofatorana vokatra izany ny tenany ary raikitra avy hatrany ny daroka, ka raha niala aina ilay rangahy dia nentin’izy ireo teny amoron-dranomasina nodorana ny fatiny. Raha hiverenana ny nahatonga izao toe-javatra izao dia, ny alakamisy 28 janoary teo dia nofirain’ny antsy ny vadiny sy ny rafozam-baviny, ka ilay ramatoa vadiny no tena voa mafy izay nalefa notsaboina any Antananarivo noho fatahorana ny ainy. Tao Agnalampenja Mananara Avaratra no nitranga ny raharaha noho ny disadisa tao an-tokantranon’izy ireo. Nisy taorian’ny herisetra izay antony nampandositra ilay rangahy 40 taona niafina, dia nametra fitoriana ny havan’ilay noratraina teny amin’ny zandary. Raikitra avy hatrany ny fikarohana ilay rangahy namira antsy ny vadiny sy ny rafozam-bavin’ity, tonga hatramin’ny fanomezana valisoa goavana ho an’izao olona mahita azy mihitsy ny raharaha tamin’izay nataon’ny fianakavin’ilay ramatoa naratra mafy. Tsy niandry ela vokatra izany dia ity tratran’ny fokonolona tao amin’ny fokontany iray tao Mananara Avaratra ny tenany, ka izao niharan’ny fitsaram-bahoaka izao ny niafarany. Mbola mitohy ny raharaha satria milaza ny tsy hanaiky koa ny fianakavin’ilay rangahy fa hametraka fitoriana eny amin’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny famonoana ny havany .Tantara mitohy izy ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici