- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Noho ny fihinanan trozona maty, mitombo isa ireo olona marary

Mananara Avaratra : Noho ny fihinanan trozona maty, mitombo isa ireo olona marary

Trozona iray lehibe tsy fanta-piaviana izay efa  maty, no tody teo amin’ny sisin-dranomasin’Ambitsika, izay toeram-pitsangatsanganana iray malaza any amin’ny Distrikan’i Mananara Avaratra, afak’ omaly naraina. Raha vao nahita izany ny mponina teo an-tanàna, dia nirohotra nijery ny zava-misy, ka tao ny avy hatrany dia nanararaotra naka ny henan’ity hazandranomasina maty ity, natao sakafo. Ny hafa kosa naka jabora sy ny taolan’ity trozona ity hatao fanafody may hono. Na dia efa namoaka fofona nanempotra ny manodidina aza ity trozona ity, dia mbola nisy hatrany ireo olona naka hena ny tolakandro, na dia teo aza ny fandrarana nataon’ny tompon’andraikitra tamin’ny haino aman-jery tany an-toerana amin’ny fihinanana izany, ka maro amin’ireo nihinana an’ity trozona hita faty ity no marary kibo, mandoa sy mivalana. Fa mpanjono roa lahy nandeha nanarato kosa no tsy hita popoka nanomboka ny alin’ny asabotsy teo, tany Mananara Avaratra, raha ny tati-baovao voaray ihany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici