- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Sambo rendrika, olona iray tsy hita popoka

Mananara Avaratra : Sambo rendrika, olona iray tsy hita popoka

Rendrika tao amin’ny vinanin’i Fahambahy ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra ny 23 jona tokony tamin’ny 3 ora hariva,  ny sambo MS Ambodiampana. Olona fito no tao anatin’ity sambo izay voalaza fa mpanamory avokoa. Nitondra entam-barotra hiazo an’i Mananara avaratra io sambo io izao niharan-doza izao. Vokany : olona iray no voalaza fa tsy hita popoka ; roa hafa naratra ary efa nalefa ao amin’ny CSB II ao Manambolosoa. Tsy nisy avotra fa dobo an-drano avokoa ireo entana nentiny satria dia nilentika tanteraka ilay sambo. Hatreto dia mbola tsy fantatra marina ny anton’ity faharendrehana ity. Ny borigadin’ny zandarimaria ao Mananara Avaratra no mandray an-tanana ny raharaha.

TM.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici