- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananara-Avaratra : Taolam-paty 36 gony tratran’ny fokonolona

Mananara-Avaratra : Taolam-paty 36 gony tratran’ny fokonolona

Tena tsy kely lalana ny ratsy satria raha tsy mahita lalana amin’ny halatra lavanilina maitso intsony, noho ny fandraisana andraikitra nataon’ny fokonolona ao Mananara-Avaratra tamin’ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona ireo andian-jiolahy, dia lasa mirona any amin’ny vaky fasana indray.

Ny herinandro lasa teo dia nahatratra taolam-paty niisa 36 gony tao amin’ny kaominina Mahanoro Mananara-Avaratra ireo andrimasom-pokonolona. Voalaza fa tao amin’ny kaominina Vavony, izay mifanila amin’izy ireo ihany, no nakan’olona ireto taolam-paty ireto. Raha ny fanazavana azo dia olona sendra nandeha an’ala nahita fasana vaky no nampandre ny tao an-tanàna; raha samy nijery ny azy anefa ireo fokonolona, izay manana fasana manodidina ny kaominina, dia hita fa vaky avokoa ny ankamaroan’ireo ka nanomboka teo ny fanarahan-dia ireo heverina fa nangalatra izany. Nandritra io fanarahan-dia io no nahitan’izy ireo olona 33 nitondra gony mavesatra sy noahiahiana. Raikitra ny fifanenjehana teo amin’izy ireo ka najanon’ireto olona mpangalatra taolam-paty ireto ny gony nisy izany ka lasa izy ireo nitsoaka . Noezahin’ny fokonolona nohenjehana ihany fa tsy tratran’izy ireo.

Raha ny fanazavan’ny mponina dia tsy fantatry ny olonaao  an-tanàna ireto mpangalatra taolam-paty sy mpamaky fasana ireto, saingy nambaran’izy ireo fa toa hoe avy any Mandritsara ny fiavian’izy ireo. Nomarihan’ireto fokonolona fa hitohy hatrany Mandritsara izany ny fikarohan’izy ireto azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici