Tsy nasian’ny lehiben’ny distrika Mananara avaratra, Atoa Rabotohavana Florent Colli de Rinal, hasina sy fanajana ireo ray aman-dreny ara-drazana sy vondrolon-kendry ary ireo ray amandrem-piangonana, mpandraharaha tao Mananara avaratra; tamin’ny fandraisana fitenenana tamin’ny fandalovan’ny filoham-pirenena tany an-toerana. Nefa saika hanome voninahitra sy hisintona ny sain’ny olona mba tsy hametraka haihay na hatezerana amin’ny fitotonganan’ny vindim-bokatra lavanilina izy ireo, sy ny mety fahavitan’ny fanamboarana lalam-pirenena faha-05. Raha ny angom-baovao dia efa nisy ny fifampiresahana mialoha tamin’ny arofenitry ny filoham-pirenena momba io fandraisam-pitenena io ary nanaiky izany ny arofenitra. Vokany samy niandry ny fanasana manokana azy ireo ray aman-dreny ara-piaraha-monina ireo hanaovana ny « mise au point » rehetra, nefa tsy tongan y fanasana raha tsy tamin’ny 09ora alina ka tsy nisy azo natao intsony. Raha ho an’ireo mpandraharaha manokana dia nahatsiaro ho voa mafy izy ireo satria efa nanolotra fiara tsara tarehy ho taingenan’ireo vahiny tonga. Nambaran’izy ireo fa izy ireo no nametraka ny lehiben’ny distrika tamin’ny toerany noho ilay teo aloha tsy nety tamin’izy ireo, nefa izao sahady indray no ataon’ity lehiben’ny distrikan’i Mananara avaratra ity. Ho hita eo ny tohin’ity raharaha ity.
Malala Didier