- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Tovolahy tra-tehaka nangalatra lavanila, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Mananara Avaratra : Tovolahy tra-tehaka nangalatra lavanila, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Afak’omaly, tovolahy iray tokony ho 21 taona eo no tra-tehaky ny andrimasom-pokonolona nangalatra lavanila tsy matoy teny an-tanimboly, tao amin’ny Fokontany Antetezana, Distrikan’i Mananara Avaratra. Noho ny firongatry ny halatra lavanila manta eny an-tsaha, izay fatiantoka ho an’ireo tantsaha mpamokatra sy mpanangom-bokatra ary mampihena ihany koa ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, dia tezitra ny olona ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity tovolahy voasambotra. Taorian’ny fampiraharahana , dia natolotra ny mpitandro filaminana ity dahalon-davanila nanaovana fanadihadiana, avy eo naiditra am-ponja vonjimaika omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici