Niakatra fitsarana ambony teto Toamasina omaly, ny raharaha fanafihan-jiolahy tao Mananara avaratra, ny volana jona 2015 ; izay niteraka fitsaram-bahoaka tany an-toerana ka nahafatesan’ny fokonolona jiolahy telo, tamin’izay fotoana izay. Raha nahazo famotsorana vonjimaika noho ny fahateparan’ny fihazonana fonja azy ireo, araka ny lalàna ny lehilahy iray nefa maty fotoana fohy nahafahan’ny fonja, dia ny namany, rangahy 45 taona ihany no namaly ny fanontanian’ny mpitsara misahana ny ady heloka be vava, omaly, teto Toamasina. Taorian’ny fifandaharana sy ny fiarovan-tenany sy ny mpisolovava azy anefa dia nivoaka ny didin’ny mpitsara fa mifonja dimy taona am-ponja ny tenany, sy tsy mahazo mandia faritany mandritra ny dimy taona ihany koa. Raha hiverenana anefa ny tantaran’ity raharaha ity taona Mananara avaratra telo taona lasa izay, dia nisy tranga na fanafihana mitam-piadiana niseho tany an-toerana ny jona 2015 io, ka dimy lahy izy ireo no nanao izany niaraka tamina basy PA vita gasy. Taorian’ny antso vonjy nataon’ity fianakaviana notafihan’izy ireo izay mpandraharaha sy mpivarotra any an-toerana, maty noho ny tifitra nahazo azy raha teo ny raim-pianakaviana nandritra izany, dia raikitra ny fikarohana ka voasambotra izy dimy lahy nanao izany. Matin’ny fitsaram-bahoaka ny telo lahy tamin’izay, raha tafaporitsaka kosa ny roa ka isan’izany ity niakatra fitsarana ady heloka be vava ity, ka na niezaka niafina tany anaty ala aza dia saron’ny zandary ihany nony farany. Izao nilatsaka izao ny didy navoakan’ny fitsarana ho azy sisa velona, na tsy nahafaly ireo fianakaviana notafihan’izy ireo ny didim-pitsarana nivoaka izay neritreretin’izy ireo fa ho mandra-pahafaty izany.
Malala Didier