- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMananara- Nord : Mpiadina bacc, tratra nanao hosoka

Mananara- Nord : Mpiadina bacc, tratra nanao hosoka

Ny  3 aogositra tamin’ny 3 ora sy sasany, no tsikaritry ny mpanara-maso, fa misy mpiadina iray nanao hosoka tamin’ny fanadinana bacc tany Mananara Avaratra. Lehilahy izay nisafidy ny hanala fanadinana amin’ny « serie A2 ». Mpianatra amina sekoly iray any an-toerana izy. Rehefa nanao ny tatitra ny mpanara-maso, dia nandray fepetra avy hatrany ny « chef de centre ». Nosavaina ilay mpiadina ka nahatrarana taratasim-panadinana efa nisy valiny ho an’ny taranja tantara sy jeografia tany aminy. Tonga moa dia navoaka ny efitrano nanaovany  fanadinana izy ary tsy nahazo nanohy intsony. Vao tamin’ny fanalana BEPC no nisy olona tratra teto Andrenivohitra amina hosoka, izany hoe nisolo toerana an’ilay tena mpiadina io olona io. Hentitra moa tamin’izany ny fepetra noraisin’ny tompon’andrikitra, ho an’ilay nisolo toerana sy ho an’ilay tena mpiadina nandefa olona hisolo azy.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici