- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManandona : Omby 13 lasan’ny dahalo

Manandona : Omby 13 lasan’ny dahalo

Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao amin’ny kaominina Manandona Distrika Antsirabe faharoa, omby miisa 13 no lasan’ny dahalo. Sesilany ny fanafihan-dahalo ao Manandona ao, isan’ny tena mahita faisana ireo toerana mihataka lavitra ny renivohitry ny kaominina. Isan’izany ny tao amin’ny fokontany Fierenenana, ity farany ity izay miala 6km ny kaominina. Intelo notafihan’ny dahalo ny tanàna ny herinandro lasa teo. Omby miisa 13 no lasan’ny dahalo tamin’izany. Dahalo manodidina ny 30 lahy no nanafika ny tanàna tokony ho tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Horakoraaka, kotaba sy sioka kiririoka izany no fihetsika nentin’ireo dahalo nanao rodobe nanafika nentina nanampenam-baravarana ny iray tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny fokonolona fa samy namitsaka tao an-tranony avokoa, niandry izay hahalasa ireo dahalo. Nanaram-po ireto farany namoaka ny omby, voalaza fa naharitra ora iray sy sasany teo mihitsy. Vala miisa efatra no vaky ka nahazoany ireo omby 13 voalaza etsy ambony ireo. Rehefa izany, nitsoaka ry zalahy nandroaka ny omby nananika tendrombohitra. Nangina tanteraka ny tanàna vao sahy nivoaka ny fokonolona ary avy hatrany dia niantso ny zandary. Ireto farany tsy afa-manoatra noho ny tsy fisian’ny fitaovana, raha ny fanazavan’ny mponina, satria sarotra ny lalana, tsy misy na dia moto aza ampiasan’ireo zandary, ny isan’izy ireo vitsy rahateo. Tsy afa-mandeha manara-dia anefa ny mponina raha tsy misy zandary, satria ary fitaovana ny dahalo. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ihany ny fokonolona sy ny zandary ka omby telo no tafaverina. Ny iray novonoin’ireo dahalo nakany hena, ary iray hafa naratra be. Niverina indray anefa ny dahalo ny alakamisy lasa teo ka omby telo indray no nalainy, tsy lasa lavitra fa 1km miala ny tanàna dia tsy voafehin’ireo dahalo ny omby ka niverin-dalana, ary tafaverina tao amin’ny tompony ihany. Ny sabotsy teo, mbola nisy dahalo nanafika ihany, saingy taitra aloha ny tompon’omby, niantso vonjeo ka rifatra nitsoaka ireo dahalo ary navotsiny ny omby miisa efatra.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici