- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : « AK47 » vita gasy saron'ny polisy

Manandriana : « AK47 » vita gasy saron’ny polisy

Mitovy tsy misy valaka amin’ireny fitaovam-piadiana mahery vaika, fantatry ny maro amin’ny hoe « kalach » no saron’ny polisy tao amin’ny distrika Manandriana ny alarobia teo. Nosamborina avy hatrany moa ny tompon-trano. Fitazomana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy ara-dalana no nanenjehana azy. Ny zava-nisy. Rehefa nahazo vaovao mahakasika ny mety ho fisiana tambajotran-jiolahy izay mihazona fitaovam-piadiana mahery vaika ny avy ao amin’ny kaomisarian’i Manandriana, dia nidina avy hatrany tany amin’ny tanàna iray tao amin’ny kaominina Ambovombe, izay araky ny loharanom-baovao azon’izy fa misy ireo fitaovam-piadiana ireo. Rehefa natao ny famotorana sy ny fisavana ilay tokantrano voatondro ho nisy izany, dia tsy nahitana afa-tsy zava-maranitra marobe no tao. Nentina natao andrimaso sy nalaina am-bavany avy hatrany moa ilay tompon-trano. Tao anatin’ny fanadihadiana azy no nilazany fa nafeniny tsy lavitra fa teo an-tokotaniny ihany ilay basy mahery vaika. Natoro ireo mpanao famotorana ilay toerana ka hita tao tokoa ity fitaovam-piadiana ity. Nentina nogiazana avy hatrany moa izany fitaovana izany. Fantatra kosa fa mbola mitohy ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity eny anivon’ny polisy. Azo heverina fa mety ho maro mantsy ireo mpandray anjara ao anatin’izao raharaha izao. Basy saika atao inona ? Loharano avy aiza no nahazoana izany ary iza avy no mety mpiray tsikombakomba tamin’ity rangahy nitazona azy ity. Imason’izao firongatry ny tsy fandriampahalemana izao mantsy dia tsy azo tsinontsinoavina velively ny irika kely mety handravana ireo andian-jiolahy mpampitondra faisana ny vahoaka.

  1. L
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici