- Publicité -
mercredi, décembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana Avaradrano : Ankizy telo namoy ny ainy, nilatsaham-baratra

Manandriana Avaradrano : Ankizy telo namoy ny ainy, nilatsaham-baratra

Samy tao an-trano avokoa izy ireo no nilatsaka tampoka ny varatra, ny sabotsy tolakandro teo, tany ho any tetsy Manandriana Avaradrano. Aina telo no indray nafoy tao anatin’izany : mpianadahy ary zazalahy kely naman’izy ireo. Ankizy iray kosa no naratra mafy. Nilatsaka voalohany ary nitondra taikaitra goavana teo amina fianakaviana iray ny varatra tamin’ity fiandohan’ny taona sy fiandohan’ny fahavaratra ity. Tetsy Manandriana Avaradrano, mpianadahy niaraka tamin’ny namany iray no indray namoy ny ainy rehefa nilatsam-potaka, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro teo, ny sabotsy. Ankizy iray tao an-toerana ihany no voakasik’izay varatra nilatsaka izay ary naratra mafy tokoa. Raha ny fanazavàna nomen’ny mpitandro filaminana dia tovovavy 18 taona ny zokiny indrindra, 10 taona ny zandriny ary ilay naman’izy ireo 11 taona, izay samy monina eny an-toerana avokoa. Ireto farany moa mpiray monina amin’izy ireo ihany, niara-nilalao teo an-tokontany, raha ny fanazavàna azo hatrany, saingy raha vao nanomboka nitselatselatra monja ny andro dia efa niditra tany an-trano avy izy ireo. Samy tsy nisy nanampy ny zava-doza hitranga ny rehetra. « Ekena fa nanjomboka ary mainty tanteraka ny lanitra taty, hoy ny teo anivon’ny zandary, saingy toa zara raha nisy orana sy tselatra ». Tokony ho tamin’ny tolakandro teo no nirefotra indray mandeha ny varatra ary niantefa avy hatrany tamin’io tokatrano io, tao amin’ny efitra nisy ireto ankizy efatra mianadahy ireto. May ary namoy ny ainy teo ho no eo ihany ireo ankizy telo, raha may teo amin’ny tanany ilay zaza fanihefany. Nezahina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pahasalamana moa ity farany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny vatana mangatsiakan’iretsy tsy manan-tsiny kosa dia efa nomena ny fianakaviany, taorian’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana, nanao ny fizahana ifotony ireo mpitandro filaminana. Marihana fa anisan’ny loza voajanahary namono olona be indrindra ihany koa ny varatra raha eto amintsika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici