- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : Basy “kalach” iray azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Manandriana : Basy “kalach” iray azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Raikitra indray ny fifandonana teo amin’ny andian-dahalo sy mpitandro filaminana niaraka tamin’ny fokonolona. Vokany, vaky nitsoaka iretsy voalohany ary azo teny am-pelatanany ny basy “kalachnikov” iray niaraka tamin’ny bala roa sy fitaovam-piadiana hafa.

Tato ho ato tokoa dia niha-namaivay ny asan-dahalo tamin’ny faritra maromaro teto amintsika. Saika isan’andro no nahenoana fanafihan-dahalo foana. Etsy andanin’izay ihany koa anefa tsy mikely soroka ireo mpitandro filaminana miezaka hatramin’ny farany miady amin’ity resaka asan-dahalo ity. Tany amin’iny faritra Amoron’i Mania iny, ny harivan’ny alarobia lasa teo dia fantatra araka ny angom-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa nisy fifandonanana mahery vaika nitranga teo amin’ny andian-dahalo maromaro izay namahatra tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Antety Zanadambo, ao amin’ny kaominina Ambohipo, distrikan’i Manandriana. Araka ny voalaza dia nisy ny angom-baovao azon’izy ireo ka nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Manandriana, niaraka tamin’ireo solontenam-pokonolona ao anatin’ny fikambanana Lambamena. “Hita tokoa ireo dahalo am-polony miomana hanohy ny diany. Raikitra avy hatrany ny fifampitifirana, ka vaky nadositra any anaty ala ireo dahalo. Nanao ny fisafoana ny toerana ireto zandary taorian’ny fifampitifirana ka hita teo ny basy maherivaika (Kalachnikov) iray tsy misy vodiny misy bala roa, antsy lava iray, lamba firakotra iray, ary takelaka herin’aratra amin’ny masoandro iray”. Marihana, hoy hatrany ny vaovao, fa miisa 12 amin’ity izay ny basy maherivaika azo teny am-pelatanan’ny dahalo tao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, nanomboka ny volana janoary lasa teo. Itony basy maherivaika itony moa dia mbola mampametra-panontaniana goavana hatramin’izao ny amin’ny nahatonga izany ho eny am-pelatanan’ireo malaso. Heverina fa hizotra mankany amin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany ankoatra ny fikarohana ireo andian-dahalo tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici