- Publicité -
lundi, novembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManandriana : Basy « kalach » saron’ny zandary

Manandriana : Basy « kalach » saron’ny zandary

Manoloana indrindra ny fiparitahan’ny basy mahery vaika eny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy dia nisy hatrany ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny zandary tany amin’iny faritra Manandriana iny. Nahitàm-bokany io satria dia basy mahery vaika « kalach » efa noboriana ny vodiny no sarona tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohibato, fokontany Ambohipeno, kaominina Ambohipo, distrika Manandriana ny alin’ny talata lasa teo. Raha ny fanazavàna azo dia teny am-pelan-tanana roalahy nampiahiahy tany an-toerana nandritra ny fisafoana natao ity fitaovam-piadiana ity. Ireto roalahy kosa moa, raha vao nahita ireo mpitandro filaminana dia nanao tari-dositra ka namela ny entany teo. Tamin’ny fisavàna izany no nahitàna ilay basy sy akanjo maromaro. Inoana fa jiolahy handeha hanafika izy ireo ka izao nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izao. « Tsy maintsy ho tratra ihany ireo jiolahy nitazona ny basy ireo. Manoloana ny mety mbola fisian’ny basy mahery vaika maro eny ampelatanan’ireo dahalo dia nozaraina akanjo mitemitra tsy laitram-bala ireo Zandary any an-toerana », hoy ny fanazavàna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici