- Publicité -
jeudi, mai 29, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : Dahalo maty voatifitry ny pôlisy

Manandriana : Dahalo maty voatifitry ny pôlisy

Fifanandrinana mahery vaika indray no nitranga, teo amin’ireo polisy sy andian-dahalo maromaro, tao amin’ny fokontany iray tany amin’iny kaominina Ambovombe Centre, distrikan’i Manandriana iny, ny harivan’ny alahady teo.

Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisim-pirenena, ny andron’io alahady io, dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana ny tao amin’ny fokotanin’i Mahasoa II. Tokatranona mpiompy anankiray teo an-toerana  no nataon’ireo olon-dratsy lasibatra tamin’izany. Fito lahy ireo dahalo, izay nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra hafa. Soa ihany anefa, vao nitranga izany toe-javatra izany dia nisy avy hatrany ny antso vonjy tonga tany amin’ireo pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarin’i Manandriana. Nandray fepetra avy hatrany ireto farany, nandefa mpitandro filaminana tany an-toerana.

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireo olon-dratsy no nigadona ihany koa ireo pôlisy. Vantany vao nahita ireto mpitandro filaminana anefa ireo olon-dratsy, avy hatrany dia hanohitra sy hampiasa ny fitaovam-piadiana teny amin’izy ireo no tao an-tsainy. Raikitra teo ny an-kitifitra. « Nanohitra ary nanambana basy ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka voatery nitifitra ireo polisy » hoy ny vaovao. Vokatr’izay fifandonana izay, iray tamin’ireo fitolahy nanafika no niantefan’ny balan’ny pôlisy ary maty tsy tra-drano. Nahita izay kosa ireo namany ka nanao tari-dositra nitsoaka. Hatramin’ny omaly, dia mbola mandeha ny hazalambo sy ny fikarohana ireto farany, raha ny vaovao azo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici