- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : Ireo dahalo indray no niantso vonjy rehefa mitady ho resy...

Manandriana : Ireo dahalo indray no niantso vonjy rehefa mitady ho resy tosika

Naharitra ora iray ny fifandonana teo amin’ireo zandary mpampandry tany sy ireo dahalo izay niafina tao amina tokantrano iray tany amin’iny kaominina Talata Vohimena, distrika Manandriana iny. Na dia nampiasa basy mahery vaika aza ireo olon-dratsy dia tsy nahaleo ireo zandary efa tsara hofana. Hany ka nony  hitan’izy ireo fa ho resy tosika izy ireo, dia niantso vonjy  tamin’ny alàlan’ny finday : « ry Maitsoanala, vonjeo izahay fa maty aty » hoy izy ireo.

Ny alatsinainy teo no nitrangan’io fifandonana io tao Soatàna, fokontany Sahamandresy. Raha ny filazan’ny avy eo anivon’ny zandarimarim-pirenena moa dia loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’izy ireo, fa misy olon-dratsy miafina tao amin’io tokantrano io. Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobin-jana-paritra Talata Vohimena. « Vao tonga anefa ireo zandary, hoy ny vaovao dia tifitra variraka no nitsenan’ireo olon-dratsy azy ireo ». Voatery namaly tifitra ihany koa ireo mpitandro filaminana teo anatrehan’izany, ary io naharitra adim-pamantaran’andro iray io ny fifamaliana tifitra teo amin’ny roa tonta. Na izany aza anefa, dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Azo sambo-belona rahateo ireo dahalo  dimy, niery tao amin’ilay trano, niaraka tamin’ireo basy mahery vaika « kalach » roa, izay tsy nisy afa-tsy bala iray avy  sisa nampiasain’izy ireo. Fantatra ihany koa, fa nisy omby efatra avy nangalarin’ireto olon-dratsy ireto azo teny am-pelan-tanany ; izay samy efa naverina tany amin’ny tompony. Nentina nofotorana avy hatrany moa ireto olon-dratsy ireto, hahafantarana ny nampaniraka azy ireo sy izay mety ho namany hafa. « Raha ny tetik’ady napetraka any amin’iny faritra iny, hoy ny avy eo anivon’ny zandary, dia matetika tsy afa-manohitra intsony ireo dahalo fa manomboka mitonon-tena mba tsy ho faty ». « Manomboka miseho avokoa ihany koa ny tsiambaratelon’izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana. Izany fia toa midika  fa efa manomboka voafehy ihany ity asan-dahalo ity. Enga anie.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici