- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversManandriana : « Kalach » azo teny am-pelan-tanan’ny dahalo

Manandriana : « Kalach » azo teny am-pelan-tanan’ny dahalo

Tsy miandry ireo mpitandro filaminana foana akory ireo fokonolona vao afaka miaro ny tananany sy ny fananany manoloana ireo asan-dahalo miha-mahazo vahana tato ho ato izay. Toy izany ny nitranga tao amin’ny Ambatolahindravahy, kaominina Talata Vohimena, distrika Manandriana ny alin’ny alahady teo. Nifandona tao amin’io tanana io ny Zazamainty (andrimasom-pokonolona) sy ireo andian-dahalo teo amin’ny telopolo lahy teo, nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Tsy nanaiky nolembenena anefa ireto fokonolona niaro ny fananany ireto. Vokany, dahalo iray no lavon’izy ireo ary azo teny am-pelan-tanan’izy ireo ny basy mahery vaika iray, Kalachnikov (type FAC). Tafaverina dahalo ihany koa ireo omby nangalarin’ireo malaso. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary dia « efa ho efa-bolana izao no nanaovana fanentanana ny fokonolona ao anatin’ny kaominina Talata-Vohimena mba handray anjara mavitrika amin’ny paikady atao hoe « Autodéfense villageoise », ka anisan’ny fanatanterahana izany ny fiandrasan’ny Vondrona « Zazamainty » ireo kizo tena atahorana ». Raha ny zava-nitranga tokoa mantsy dia notafihana andian-dahalo ny tananan’i Soatono, ao amin’ny fokontany Sahamandresy. Omby miisa 35 no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Nanomboka teo no niambina ireo kizo (toerana na tanana mety handehanan’ireo dahalo) ireo Zazamainty ary dia izao niafara tamin’ny fifandonana tao Ambatolahindravahy izao. « Ny fifanomezan-tanana toa izao no handresena ireo dahalo » hoy ireo tompon’andraikitry ny zandary. Fantatra moa fa mbola mitohy ny famotorana ny amin’ny nipoiran’ity fitaovam-piadiana ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici