Lehiben-dahalo iray antsoina hoe : Sahala Rahafahatelo, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe : « Komandà » no maty rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana tany amin’ny Distrikan’i Manandriana. Raha araka ny vaovao voaray dia nanafika tao Ambohimilanga ny dahalo 50 lahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, rehefa avy niantso an-telefaonina ny lehiben’ny fikambanana fandriampahalemana ao an-toerana, ny alakamisy antoandro lasa teo, tamin’ny 11 ora, fa ho avy izy ireo hanafika io tanàna io. Tonga tokoa ireto dahalo ary avy hatrany dia nanapoaka basy nentina nampihorohoroana ny mponina, ka omby 85 no lasan’ireo malaso.
Hamalifaty. Tsy nanaiky mora ny fandraofana ny ombiny ny fokonolona teo an-tanàna ka nanara-dia ary nanampy tosika ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo dahalo tao Morarano, ka maty voatifitra « Komandà Sahala » lehiben-dahalo. Raha vao nahita izany ireo namany dia nitsoaka ary navelan’izy ireo teo ny omby halatra rehetra. Raha ny loharanom-baovao dia ny zandrin’ity lehiben-dahalo maty ity indray no mitarika ireo 49 lahy sisa mbola velona. Milaza ny hamalifaty izy ireo, ka mitaintaina ireo mponina ao Manandriana.
Eric Manitrisa