Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin’ny polisy, mahakasika ny fitifirana ka nahafaty ny iray tamin’izy ireo tao Manandriana. “Nahazo vaovao izahay fa miafina ao amin’ny fokontany Bemanta, ambanivohitr’Ambovombe-Centre ireo jiolahy. Natao ny fidinana sy ny fanarahan-dia ka tratra tokoa. Raikitra ny fifandonana, satria namaly tifitra ireo jiolahy. Iray no lavo ary azo sambo-belona kosa ny roa ambiny. Basy vita gasy sy bala maromaro no teny amin’ireo jiolahy. Mbola mitohy ny fikarohana ireo hafa niray tsikombakomba tamin’ity famonoana polisy ity” . Vaovao nampitain’ny polisim-pirenena. Raha tsiahivina dia ny asabotsy 11 novambra teo no voatifitra ny inspektera Rakotmanga Andrianirina Fenohasina rehefa nifanojo tamin’ny jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana ny tranom-barotra lehibe iray tao an-toerana. Teo ihany dia efa fantatra fa tsy amelan’ny polisy ho vitavita ho azy ity fandatsahana aina ny olony iray ity. Nandeha ny fikarohana sy ny savahao ary herinandro taty aoriana dia efa nahitam-bokany izany. Raha savahao toa izany isaky ny mandeha koa ny fivoaran’ny fanadihadiana rehefa misy ny heloka bevava mahazo ny olon-tsotra, azo heverina fa mihena faran’izay haingana ny isan’ny mpamono olona sy mpanao ratsy.
D.R