Fihantsiana tanteraka no ataon’ny dahalo any ambanivolo any amin’izao fotoana. Isan’ny manamarina an’izany ny tranga niseho tamin’ny alahady lasa teo, saingy izao vao tena fantatra ny manodidina azy. Tao Manandriana, tanàna iray ao amin’ny faritra Vatovavy-Fitovinany, dia maty notifirin’ireo ny miaramila iray miasa eo anivon’ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité), irony miaramila manampy ny zandary irony amin’ny asan-dahalo sy fiarovana ny olona, ary naterin’izy ireo tao Manandriana. Tsy naverin’ireo kosa ny fitaovam-piadiana nentin’io miaramila kaporaly io. Lasan’ny dahalo izany ny kalachnikov miaraka amin’ny bala sy ny grenady. Voadona tanteraka ny hambom-pon’ny mpitandro ny fiaminana noho ity raharaha ity. Efa tena fampisehoana fahasahiana mantsy izany fihetsiky ny dahalo izany. Raha araka ny vaovao azonay omaly avy amin’ny zandarimaria dia nisy miaramila maro niaraka amin’ny zandary mpanao ady anaty akata nalefa nidina any an-toerana. Hanao savahao hatrany anaty ala rehetra any izy ireo ary hiady amin’ireo andian-dahalo izay tompon’andrakitra tamin’ity heloka bevava ity. Manana fitaovam-piadiana efa mifanandrify amin’ny ampiasain’ny mpitandro ny filaminana ny dahalo ankehitriny. Isan’andro ny zava-misy any ambanivolo any rehefa misy ny halatra omby dia manamarina an’izany : manana kalachnikov sy poleta ary indraindray aza grenady ny dahalo. Mazava ho azy fa efa mahatsapa ny tenany ho mafy izy ireo ary endrika iray hanaporofoany izany itony karazana fihantsiana nitranga tany Manandriana itony.
D.R