Ny tolak’ andron’ ny talata 11 febroary teo, tokony ho tamin’ ny 4 ora hariva no nisehoan’ ny tantara. Fitsangatsanganan’ olon-droa mpifankatia teny amoron’ ny dobo tao Ambodirina , nafana dia nafana ny andro ka nanankevitra ny hilomano ny tovolahy, ny tovovavy kosa nisafidy ny hitazana ny olon-tiany tety amoron-drano . Vao herotrerony tokoa ity tovolahy maty satria vao iraika amby roapolo taona monja. Tsy fantatra marina anefa izay zava-niseho fa toa nibolisatra ity lehilahy , hitan’ ity olon-tiany tsara ny zava-nitranga fa indroa izy no nipoitra sy nilentika ka ny fanintelony dia tsy tazana intsony. Teo vao nikoropaka ilay tovovavy niantso vonjy tamin’ ny olona teo amin’ ny manodidina , natao daholo ny famonjena ilaina rehetra, saingy tsy voavonjy intsony ny ainy, tamin’ ny valo ora sy sasany no tonga teny an-toerana ny zandary, efa tafakatra teny amoron-drano ny razana ary hita teo amin’ ny sofiny roa ny rà nivoaka .Raha ny fahitana ny razana dia toa sempotry ny rano ary feno ny havokavony .
Hanentanana antsika hatrany fa ny mahay milomano ihany no maty an-drano, amin’ izao fotoanan’ ny hafanana izao tokoa mantsy dia fahazaran ‘ny olona sasany ny mandro na misasa eny an’ ony. Ny loza anefa tsy mampilaza, indraindray tokoa mantsy itony dobo itony nangalan’ ny olona rihatra nanaovana biriky, tsy hita izany rehefa tondraka ny rano indrindra amin’ izao fotoam-pahavaratra izao ka mahatonga voina ho an’ ireo izay tratrany.
ALEM