Noho ny fanomezan’ olona tsara sitra-po loharanom-baovao marim-pototra ny teo anivon’ny Fari-piadidian’ny Zandarimaria Fianarantsoa, izay nilaza fa misy jiolahy raindahiny mitazona basy mahery vaika tsy ara-dalàna any Morarano Toby, Fokontany Ambodibakoly, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Kianjavato, Distrikan’i Mananjary, dia nanao fisavàna ifotony ny Zandary avy ao Mananjary sy Fianarantsoa, ka basy « fusil à pompe Grizzly 01 », basy « Bosquette 22LR iray », basy poleta « Mas50 9mm iray », ary « Revolver 9mm iray », niampy bala 9 mm miisa 26 sy 12 mm miisa 29 no tra-tehaka, afak’omaly. Araka ny fanazavana azo, dia nogiazana avy hatrany ireo basy tsy ara-dalàna sarona, ka ny Sampana misahana ny Heloka bevava (SRC) an’ny Zandarimaria Fianarantsoa no manatontosa ny famotorana ankehitriny. Mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy, dia manentana hatrany ny tsirairay hampita vaovao ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.
Eric Manitrisa