- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Dimy lahy nanafika mpivarotra, zazavavy iray maty voatifitra

Mananjary : Dimy lahy nanafika mpivarotra, zazavavy iray maty voatifitra

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nandatsahana ain’olona tsy manan-tsiny sy nahaverezana volabe indray tany Mananjary, afak’omaly alina. Mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Anivorano, any amin’ny kaominina Ambanivohitra Tsiatosika,  no notafihana dimy lahy tsy nisaron-tava, ka voaroba tamin’izany ny vola mitentina iray tapitrisa Ariary, niampy entam-barotra maromaro izay zakan’ireo olon-dratsy. Maty tsy tra-drano novonoin’ireo jiolahy ihany koa ny zazavavy iray zanak’ity mpandraharaha voatafika ity. Araka ny fampitam-baovao voarainy tany ifotony, dia fantampantatr’ izy mivady ny iray tamin’ireto nahavanon-doza, satria mpividy entana ao amin’izy ireo ihany. Ny borigadin’ny Zandary ao Mananjary no mandray an-tànana ny raharaha sy manao ny fikarohana an’ireo olon-dratsy. Ny Kaominina Ambanivohitra Tsiatosika moa dia 32km miala ao Mananjary Renivohitra, amin’ny lalam-pirenena faha-11 raha hiazo ny distrikan’ i Nosy Varika iny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici