- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Dimy lahy nitam-piadiana nanafika sy namono mpandraharaha

Mananjary : Dimy lahy nitam-piadiana nanafika sy namono mpandraharaha

Nirongatra tato ho ato ny asan-jiolahy arahina herisetra sy vono olona any amin’ny distrikan’i Mananjary. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana avy amina olona tsara sitrapo, dia voasambotra ny efatra tamin’ireo jiolahy enina nitam-piadiana, izay voalaza fa nitondra basy P.A ny roa. Araka ny tati-baovao voaray, nisy enin-dahy nentina “tuc tuc” iray nanafika tokantranona mpandraharaha mpivarotra iray, tao amin’ny fokontany Ankazotokana, Kaominina ambanivohitra Antsenavolo, ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany. Rehefa torana nihosin-drà tsy nahatsiaro tena ilay raim-pianakaviana tompon-trano, izay voakapa famaky, dia tsy nisy sahy nanohitra intsony an’ireo jiolahy nitam-piadiana ny olona tao an-trano, ka naka mora ireo firavaka volamena sy volafotsy ary ny vola rehetra tao amin’ity trano voatafika ity ireo mpandroba. Taorian’ny fanafihana, dia nokarohin’ny zandary fatratra natao hazalambo ilay mpitondra “tuc tuc” izay mponina eo an-tanàna ihany, ka rehefa voasambotra izy dia nibaradaka, ary nanondro avy hatrany ny toerana nisy ny roa tamin’ireo jiolahy, ny alatsinainy teo. Iny hitondra ny havany tsy salama ao amin’ny hopitaliben’i Mananjary iny no tra-tehaka ny jiolahy roa hafa, afak’omaly. Ny roa lahy namany tafaporitsaka kosa dia mbola karohina fatratra amin’izao miaraka amin’ny basy roa fampiasan’ireo olon-dratsy entin’izy ireo manafika, raha araka ny fampitam-baovao voaray hatrany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici