- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Famonoana sinoa, nisy roa voasambotra

Mananjary : Famonoana sinoa, nisy roa voasambotra

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay teratany sinoa izay mpitrandraka volamena tao amin’ny reninanon’i Mananjary. Notsatohana famaky ny lohany sy ny vatany. Nahoraka tao Mananjary sy ny manodidina ny fisian’izany heloka bevava izany. Tsy niandry ela ny zandary dia nanidy ny faritra ary nasiana barazy tetsy sy teroa. Nisy fahombiazany izany satria ny harivan’iny ihany dia efa nisy ny olona voasambotra. Miisa roa izy ireo ary teo amin’ny toerana izay antsoina hoe Kianjavato no saron’ny zandary. Notazomina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana ao amin’ny borigadin’Antsenavolo ireo olona ireo. Raha tsiahivina dia tsy nisy na inona na inona nalain’ireo olon-dratsy fa dia novonoina ho faty fotsiny ilay sinoa. Izany hoe ny aina no nofofoina fa tsy dia misy hifandraisany loatra amin’ny fandrobàna ilay asan-jiolahy. Raha izay no izy dia mety ho nisy naniraka izany ireo mpamono olona ireo. Arahina ny fivoaran’ny fanadihadiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici