- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Jiolahy namono nahafaty ankizivavy 13 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Mananjary : Jiolahy namono nahafaty ankizivavy 13 taona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray, tany amin’ny Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy Fitovinany, ny zoma teo. Jiolahy iray voalaza fa malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaky ny Fokonolona tao Andranomborodolo any amin’ny Kaominina ambanivohitry Tsiatosika, ny 12 janoary teo, ka maty tsy tra-drano niharan’ny fitsaram-bahoaka. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia jiolahy dimy tsy nisaron-tava nanafika mpivarotra iray, tao amin’ny Fokontany Anivorano, Kaominina ambanivohitry Tsiatosika hatrany, ny alin’ny 27 desambra lasa teo, ka norobain’ny olon-dratsy tamin’izany ny vola iray tapitrisa Ariary niampy entam-barotra maromaro zakan’ ireo malaso. Maty tsy tra-drano novonoin’ireo jiolahy ihany koa ny zazavavy iray zanak’ity mpandraharaha voatafika. Fantapantatr’ izy mivady anefa ny iray tamin’ireto dahalo, satria mpividy entana ao amin’izy ireo ihany, ka nanomboka teo ny fikarohana ny nahavanon-doza. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia mbola mitohy ny fikarohana an’ireo efa-dahy nandositra naman’ity jiolahy namoy ny ainy ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici