- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Jiolahy tra-tehaka, saika nodoran’ny fokonolona velona tamin’ny kodiarana

Mananjary : Jiolahy tra-tehaka, saika nodoran’ny fokonolona velona tamin’ny kodiarana

Lehilahy iray sahabo 30 taona eo, tra-tehaka, izay voalaza fa jiolahy ikoizana amin’ny vaky trano sy fandrobana ary halatra, no saika nodoran’ny fokonolona velona tamin’ny afon-kodiarana, afak’omaly, tao amin’ny fokontany Analanjavidy, distrikan’i Mananjary. Raha ny tati-baovao voaray, dia teo am-panaovana ny asa ratsiny ny maraimbe tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka kely tany ity jiolahy ity no tra-tehaka noho ny firaisankinan’ny mponina teo an-tanàna. Rehefa voasambotra niaraka tamin’ny ody gasy maheriny ity mpambotry ny mpiara-belona taminy, dia nisy tamin’ ireo olona teo an-tanàna efa lasibatr’ity jiolahy ity no naka “pneu” sy “essence” ary kitay saika handoro azy velona, kanefa nisakana avy hatrany izany vono olona izany ny tompon-trano voaroba, ary natolotra ny mpitandro filaminana atao fanadihadiana ity mpamaky trano. Raha ny fantatra, dia leom-boanana amin’ny firongatry ny halatra sy vaky trano nifanesisesy nanomboka ny volana febroary lasa teo ireo mponina ao an-tanànan’ Andragnofa, ary matetika dia mitovy hatrany ny fisehon’ny asa ratsy, izay manodidina ny amin’ny roa ora sy sasany ka hatramin’ny efatra ora maraina, ka ireo trano misy jiro mirehitra sy vavahady mihidy anatiny no tena lasibatra. Ny mahagaga anefa dia tsy maheno na taitra amin’ny fidiran’ny olon-dratsy ao an-tranony ny tompon-trano. Ireo entana tsy ao an-trano intsony sy ny varavarana efa mibanaka vaky vao gaga ireo voaroba.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici