- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpandraharaha voatafika, very volabe

Mananjary : Mpandraharaha voatafika, very volabe

Ny talata lasa teo, mpandrahahra iray mpitrandraka harena ankibon’ny tany no lasibatry ny mpandroba tany amin’ny faritry Mananjary. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mahatratra hatrany amin’ny 8 tapitrisa ariary sy ny volamena 40 gr. Tsy vitan’ny nandroba fotsiny ireo jiolahy fa notsatohany antsy ilay olona ary naratra mafy tokoa. Hafahafa ihany ny fandehan-javatra satria araka ny loharanom-baovao dia efa nandrasan’ireo olon-dratsy ity mpandraharaha ity. Vao nigadona teo amin’ny varavarana izy dai efa voadaroka. Tamin’izay fotoana izay no nangalan-dry zalahy ny zavatra rehetra teny aminy. Voan’ny antsy teo ami’ny kibony izy. Reraka be ity tompon-trano ary izany no nararaotin’ny mpangalatra nangalana ny entana rehetra tao aminy. Na dia mafy aza ny zavatra nahazo azy, hoy ny vaovao voaray, afaka nandositra ihany izy ary sendra olona tsara sitrapo nitondra azy tany amin’ny trano fitsaboana. Teo koa no nitantarany ny zavatra nahazo azy. Avy eo nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana izy. Nandeha ny fanadihadiana . Fantatra ilay olona nifamotoana taminy ary nosamborina. Tratra tany amin’io olona io ny vola iraytapitrisa arairy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici