- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpanolana matin’ny fitsaram-bahoaka

Mananjary : Mpanolana matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray voalaza fa nanolana zazavavy roa, no matin’ny fitsaram-bahoaka, ny talata teo tany amin’ny tanana atao hoe Ankatafana any Mananjary. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tamin’ny alin’ny 31 desambra 2015, nisy lanonana tany an-toerana. Tamin’izay indrindra no nisy nahita ilay tovolahy nanolana ireo ankizy vavy. Rehefa izany dia nitaraina izy roa ireo. Natao ny fikarohana an’ilay bandy. Ny vaovao hatrany no nilaza fa izy indray no nampiaka-peo ary nilaza fa raha samborina eo izy dia hodorany ny tanana. Niray feo anefa ny mponina ka nisambotra azy ary tratra izy tamin’ny talata. Avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka ary maty vokatr’izany. Tsy tonga naka ny razana ny havany koa dia nalevina teo no ho eo ihany ity tovolahy ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici