- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpivady tanora nahatrarana rongony 15 kg, naiditra am-ponja vonjimaika

Mananjary : Mpivady tanora nahatrarana rongony 15 kg, naiditra am-ponja vonjimaika

Noho ny fanomezana loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’ olona tsara sitra-po ny mpitandro filaminana, dia  mpivady vao herotrerony malaza ratsy amin’ny trafikana rongony any amin’ny Distrikan’i Mananjary sy Nosy-Varika no saron’ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ Antsenavolo, afak’omaly, tao amin’ ny Fokontany Androrangavola, Kaominina ambanivohitra Andonabe. Tamin’ny fotoana nahasamborana an’ireto mpivady ireto, raha ny tati-baovao voaray, dia mbola tratra teny amin’izy ireo ny rongony  15 kilao, izay nafatratra tao anaty gony lehibe roa. Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny mpitandro filaminana, dia natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mananjary ireto mpivady mpibizina rongony, ary naiditra am-ponja vonji- maika omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici