Noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy any amin’ny Distrikan’i Mananjary tato ho ato, dia manao sintona lakolosy amin’ny tompon’andraikitra mahefa ny vahoaka, satria variana sy mirona amin’ny vokatry ny fifidianana avokoa ny sain’ny maro, ka miliba ireo olon-dratsy. Afak’omaly naraina, taitra sy gaga ary talanjona ny rehetra raha nahita, fa nisy namaky ny Fiangonana Katolika ao Namorona. Tsy vitan’izay, araka ny tati-baovao marim-pototra voaray avy any an-toerana, fa mbola nanaovan’ilay/ireo tsy mataho-tody maloto tao amin’ity Tempolin’ Andriamanitra ity. Raha ny fantatra, dia ny rakitra tao am-piangonana no tena notetehin’ny jiolahy, nefa tsy napetraka tao ireo vola. Sosotra ny/ireo nahavanon-doza raha tsy nahita ny remby notadiaviny, ka naparitaky ny olon-dratsy teo an-tokotanim-piangonana ny fitaovana ampiasaina tao am-piangonana, toy ny « batterie » sy fanamafisam-peo (baffle) roa izay an’ny Pretra tompom-paritra ao. Tsy hay na hetraketraka na fanimbazimbana Fiangonana ity tranga niseho tany Namorona ity, fa ireo entana izay nangalarin’ny jiolahy dia tavela teo an-tokotanim-piangonana avokoa.
Eric Manitrisa