- Publicité -
jeudi, décembre 18, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Potika ny 90%-n’ny voly vary, midangana izay tsy izy ny...

Mananjary : Potika ny 90%-n’ny voly vary, midangana izay tsy izy ny vidim-piainana

Anisan’ny faritra nitondra takaitra mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Ava ny tao Vatovavy Fitovinany. Ankoatra ny fahasimban’ny sekoly maro sy toeram-ponenana dibo-drano ka tsy maintsy namindrana ireo mponina nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza, dia potika avokoa ny fambolen’ ireo tantsaha manerana ny kaominina 31 mandrafitra ny distrikan’i Mananjary, ka ny voly vary no tena voa mafy, potika 90%. Vokatr’izany dia manahy mafy ny mety hisian’ny mosary indray ny mponina. Noho ny fikatsoan’ny fifamoivoizana vokatry ny fiakaran’ny rano, ny fahatapahan’ny lalana sy tetezana, dia midangana izaitsizy ny vidim-piainana, satria nahitam-piakarana avokoa amin’izao ny vidin’entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro, indrindra ny vary, ka mavesatra amin’ny vahoaka izany, indrindra ny any ambanivohitra. « Fampidinana ny vidim-piainana fa indrindra ny vidim-bary, ny fanampiana ara-tsakafo sy masom-boly ary ny fanarenana ny sekoly simba no tena ilaina maika ato amin’ny distrikan’i Mananjary sy ny manodidina », hoy ny Lehiben’ny Distrika. Raha ny fampitam-baovao voarainay avy an-toerana, dia androany no hiverina an-tsekoly ireo mpianatra sy ny mpampianatra rehetra manerana ny ZAP miisa 29 ao amin’ny Cisco-n’ny Mananjary. Miandrandra ny Ministera mpiahy araka izany ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny ary ireo mpanabe mba hijery akaiky izao fahavoazam-be izao ka hitondra fanamboarana sy fampitaovana haingana hanarenana ireo sekoly simba.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici